FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 16:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Tadidio fa nanome anareo ny Sabata i Jehovah!+ Izany no antony anomezany anareo mofo ampy roa andro, amin’ny andro fahenina. Tokony hijanona any amin’izay misy azy avy ny rehetra. Tsy tokony hisy hiala ao amin’ny toerana misy azy, amin’ny andro fahafito.”

  • Eksodosy 20:8-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Tsarovy ny andro sabata mba ho masina foana io andro io.+ 9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+ 11 Fa enina andro no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary izay rehetra ao amin’ireo. Ary nanomboka nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito.+ Izany no antony nitahian’i Jehovah ny andro sabata sy nanamasinany azy.

  • Deoteronomia 5:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13 Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.+ 14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara