-
2 Mpanjaka 24:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nataon’i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana+ rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy*+ rehetra. Nahatratra 10 000 ny isan’ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin’ny vahoaka.+ 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.
-
-
1 Tantara 3:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 I Joiakima niteraka an’i Jekonia,+ ary Jekonia niteraka an’i Zedekia.
-
-
2 Tantara 36:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Lasa mpanjaka i Joiakina+ tamin’izy 18 taona, ary nanjaka telo volana sy folo andro tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+ 10 Rehefa niandoha ny taona,* dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina,+ niaraka tamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary i Zedekia rahalahin-drain’i Joiakina no nataony mpanjakan’i Joda sy Jerosalema.+
-
-
Jeremia 22:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Vilany natao tsinontsinona sy novakina ve ity lehilahy atao hoe Konia ity,
Izany hoe fitaovana tsy misy mpitia?
Nahoana izy sy ny taranany no natsipy
Sy nariana any amin’ny tany tsy fantany?’+
-
-
Jeremia 24:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia*+ zanak’i Joiakima+ sady mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.* Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.+
-