FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 139:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Raha miteny aho hoe: “Tsy maintsy hanarona ahy ny haizina!”,

      Dia ho lasa hazavana ny alina manodidina ahy.

      12 Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao,

      Fa mazava toy ny andro ny alina;+

      Aminao dia hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+

  • Isaia 29:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hahita loza izay miezaka manafina amin’i Jehovah ny tetika ataony.*+

      Tanterahiny ao amin’ny maizimaizina ilay izy,

      Sady hoy izy: “Iza koa no mahita antsika eo?

      Iza no mahalala an’izay ataontsika?”+

  • Jeremia 23:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 “Misy olona afaka miafina ao amin’ny takona ve ka tsy ho hitako?”,+ hoy i Jehovah.

      “Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve aho?”,+ hoy i Jehovah.

  • Amosa 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Raha miafina eny an-tampon’i Karmela izy,

      Dia eny no hikarohako sy hakako azy.+

      Ary raha miafina any amin’ny farany ambany amin’ny ranomasina izy mba tsy ho hitako,

      Dia any ny bibilava no hasaiko hanaikitra azy.

  • Hebreo 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary tsy misy zavaboary miafina eo imasony,+ fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy mibaribary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara