FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 6:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao,+ dia hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.+ 11 Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.+ 12 Tandremo anefa sao hadinoinao i Jehovah,+ ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.

  • Joba 31:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Raha nitoky tamin’ny volamena aho,

      Na niteny tamin’ny volamena tena tsara hoe: ‘Ianao no ianteherako!’+

  • Joba 31:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin’ny mpitsara izany,

      Satria ho nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho.

  • Ohabolana 11:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Tsy hisy hilana azy ny harena* amin’ny andro fahatezerana,*+

      Fa ny fahamarinana kosa no hamonjy ny olona tsy ho faty.+

  • Ohabolana 11:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ho lavo izay matoky ny harenany,+

      Fa handrobona toy ny hazo midoroboka kosa ny olo-marina.+

  • Ohabolana 23:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Aza mandrera-tena mikatsaka harena.+

      Ajanòny izany dia asehoy hoe mahira-tsaina ianao.*

       5 Raha avelanao hitopy any amin’ny harena ny masonao, dia tsy ho hitanao akory izany.+

      Fa haniry elatra izany ka hanidina eny amin’ny lanitra toy ny voromahery.+

  • Matio 6:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany,+ izay misy bibikely* sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.

  • Matio 6:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 “Tsy misy mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany,+ na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona.* Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.+

  • Marka 8:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lioka 12:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1 Timoty 6:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1 Jaona 2:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara