Deoteronomia 31:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa ho faty* ianao izao, dia hanomboka hivaro-tena* amin’ny andriamani-kafa manodidina azy ity vahoaka ity, any amin’ilay tany halehany.+ Ary hahafoy ahy izy ireo,+ ka hivadika amin’ilay fifanekena nataoko taminy.+ Deoteronomia 32:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Nikomy i Jesorona* ka nandaka rehefa nihanatavy. —Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady lasa botrefona.+— Dia nahafoy an’ilay Andriamanitra nanao azy izy,+Ary nanao tsinontsinona an’ilay Vatolampy mpamonjy azy. Mpitsara 2:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Samoela 20:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Nisy lehilahy mpanakorontana atao hoe Sheba+ teo. Zanak’i Bikry Benjaminita izy io. Nitsoka anjombona+ izy ka niteny hoe: “Tsy manana anjara amin’i Davida isika sady tsy manana lova eo amin’ny zanak’i Jese.+ Samia àry mankany amin’ny andriamaniny* avy, ry Israely ô!”+ Nehemia 9:26 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 26 “Tsy nankatò anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny Lalànao.* Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!+
16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa ho faty* ianao izao, dia hanomboka hivaro-tena* amin’ny andriamani-kafa manodidina azy ity vahoaka ity, any amin’ilay tany halehany.+ Ary hahafoy ahy izy ireo,+ ka hivadika amin’ilay fifanekena nataoko taminy.+
15 Nikomy i Jesorona* ka nandaka rehefa nihanatavy. —Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady lasa botrefona.+— Dia nahafoy an’ilay Andriamanitra nanao azy izy,+Ary nanao tsinontsinona an’ilay Vatolampy mpamonjy azy.
20 Nisy lehilahy mpanakorontana atao hoe Sheba+ teo. Zanak’i Bikry Benjaminita izy io. Nitsoka anjombona+ izy ka niteny hoe: “Tsy manana anjara amin’i Davida isika sady tsy manana lova eo amin’ny zanak’i Jese.+ Samia àry mankany amin’ny andriamaniny* avy, ry Israely ô!”+
26 “Tsy nankatò anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny Lalànao.* Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!+