13 Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Aza matahotra.+ Mijoroa, ka jereo ny famonjen’i Jehovah izay hataony ho anareo anio.+ Fa ireo Ejipsianina hitanareo androany ireo, dia tsy ho hitanareo intsony mihitsy.+
28 Ary niverina ny rano, ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny tafik’i Farao rehetra, izay nankao an-dranomasina nanaraka ny Israely.+ Tsy nisy tafavoaka velona izy ireo na iray aza.+