FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Mba mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay.+ Ary avelao hivaly aminy* ny latsa ataony,+ ka avelao izy ho voaroba sy ho babo any an-tanin’olona.

  • Nehemia 6:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia vita ilay manda tamin’ny andro faha-25 amin’ny volana Elola,* izany hoe tao anatin’ny 52 andro.

      16 Raha vao henon’ny fahavalonay rehetra izany sady hitan’ny firenena rehetra nanodidina anay, dia menatra be* izy ireo.+ Dia fantany fa nanampy anay ny Andriamanitray matoa vitanay ilay asa.

  • Estera 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia notantarain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny+ sy ny namany rehetra ny zava-drehetra nanjo azy. Dia hoy ny olon-kendriny sy Zaresy vadiny: “Jiosy* i Mordekay, nefa efa nanomboka lavo teo anatrehany sahady ianao. Dia tsy haharesy azy ianao fa tsy maintsy ho vita hatreo ny aminao.”

  • Estera 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nasian’ny Jiosy tamin’ny sabatra ny fahavalony rehetra, ka novonoiny sy naringany. Dia nanao izay tiany tamin’izay nankahala azy ny Jiosy.+

  • Salamo 137:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Jehovah ô, tsarovy

      Izay nolazain’ny Edomita tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema. Hoy izy ireo:

      “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+

  • Zakaria 12:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Hataoko toy ny vato mavesatra amin’ny firenena rehetra i Jerosalema, amin’izany andro izany. Tsy maintsy haratra mafy daholo izay manainga azy.+ Dia hiangona hamely an’i Jerosalema ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara