FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 49:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba an’i Edoma:

      “Tsy misy fahendrena intsony angaha ao Temana?+

      Tsy manana torohevitra tsara intsony angaha ireo mahira-tsaina?

      Tsy misy ilana azy intsony angaha ny fahendreny?

  • Fitomaniana 4:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry Ziona zanakavavy ô!

      Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao.+

      Handinika ny fahadisoanao kosa izy, ry zanakavavin’i Edoma ô!

      Haharihariny ny fahotanao.+

  • Ezekiela 25:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Namaly faty i Edoma ka nasiany ny taranak’i Joda. Nanao fahadisoana lehibe izy rehefa namaly faty an’ireo.+

  • Obadia 10-13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ho menatra be ianao,+

      Dia ho ringana mandrakizay,+

      Satria nahery setra tamin’i Jakoba rahalahinao.+

      11 Nitazam-potsiny ianao tamin’izay andro izay,

      Rehefa naka ny tafiny ho babo ny fahavalo,*+

      Ary niditra teo am-bavahadiny ny hafa firenena ka nanao antsapaka+ an’i Jerosalema.

      Nanao hoatran’ny nataon’izy ireo ianao.

      12 Tsy tokony ho nifaly tamin’izay nanjo ny rahalahinao ianao, tamin’ny andro nahitany loza.+

      Tsy tokony ho nifaly ianao, tamin’ny andro nandringanana ny taranak’i Joda,+

      Ary tsy tokony ho nanao teny an’avona ianao, tamin’ny andro nijaliany.

      13 Tsy tokony ho niditra teo am-bavahadin’ny vahoakako ianao, tamin’ny andro nahitany loza.+

      Tsy tokony ho nifaly tamin’izay nanjo azy ianao, tamin’ny andro nahitany loza,

      Ary tsy tokony ho naka ny harenany ianao, tamin’ny andro nahitany loza.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara