FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 27:41, 42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Taorian’izay, dia nitana lolompo tamin’i Jakoba i Esao noho ilay tsodrano nomen’ny rainy azy.+ Hoy foana izy anakampo: “Efa kely sisa izao dia ho tonga ny andro hisaonana an’i Dada.+ Dia hovonoiko i Jakoba rahalahiko aorian’izay.” 42 Rehefa notantarain’ny olona tamin’i Rebeka ny tenin’i Esao lahimatoany, dia tonga dia nampanantsoiny i Jakoba faralahiny, ka hoy izy taminy: “Izao anaka! Mitetika ny hamaly faty i Esao rahalahinao, dia tiany hovonoina ianao.*

  • Nomery 20:20, 21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Hoy ihany anefa i Edoma: “Efa hoe tsy mahazo mandalo ianareo!”+ Dia nivoaka nitsena azy ireo i Edoma, niaraka tamin’ny vahoaka be sy tafika* mahery. 21 Tsy navelan’i Edoma handalo tao amin’ny taniny àry ny Israelita, ka nivily lalana.+

  • Salamo 83:4-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Hoy izy ireo: “Andao hofongorantsika ny fireneny,+

      Amin’izay dia tsy hotsaroana intsony ny anarana hoe Israely.”

       5 Miara-mamorona paikady* izy ireo;

      Manao fifanekena hanoherana anao+ izy ireo,

       6 Dia ny tranolain’i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba+ sy ny Hagarita,+

  • Salamo 137:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Jehovah ô, tsarovy

      Izay nolazain’ny Edomita tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema. Hoy izy ireo:

      “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+

  • Joela 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Fa i Ejipta kosa tsy hisy mponina intsony,+

      Ary i Edoma ho lasa tany karakaina.+

      Nahery setra tamin’ny mponin’i Joda mantsy izy ireo,+

      Sady nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny tany Joda.+

  • Amosa 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Edoma,+ inefatra mihitsy aza.

      Nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra mantsy izy,+

      Sady tsy nety namindra fo mihitsy.

      Tezitra izy ka mamiravira azy ireo foana,

      Ary mbola tezitra be amin’izy ireo foana.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara