FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Izaho ity mipetraka ato amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra mipetraka ao anaty tranolay!”+

  • 1 Mpanjaka 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+

  • 1 Tantara 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia novorin’i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny Vata masin’i Jehovah ho any amin’ilay toerana efa nomaniny hasiana azy.+

  • 1 Tantara 15:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia hoy izy tamin’ireo: “Ianareo no lohan’ny fianakaviamben’ny Levita. Hamasino ny tenanareo sy ny rahalahinareo, dia ampiakaro any amin’ilay toerana efa nomaniko ho azy ny Vata masin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.

  • Asan’ny Apostoly 7:45, 46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Ary nolovan’ny razambentsika ilay tranolay, ka nampidiriny tao amin’ny tanin’ireo firenena+ noroahin’Andriamanitra hiala teo anatrehan’ny razambentsika.+ Nampiditra azy io tany izy ireo, niaraka tamin’i Josoa, ka tao foana ilay izy mandra-pahatongan’ny andron’i Davida. 46 Ary nahazo sitraka teo imason’Andriamanitra i Davida, ka nangataka mba homena voninahitra hanorina fonenana ho an’ilay Andriamanitr’i Jakoba.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara