-
Estera 7:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nahanton’izy ireo teo amin’ilay tsato-kazo nomaniny ho an’i Mordekay i Hamana, ka tsy romotra intsony ny mpanjaka.
-
-
Salamo 35:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Fa nanafina harato hamandrihana ahy tsy amin’antony izy ireo;
Nihady lavaka izy ireo mba hisamborana ahy tsy amin’antony.
8 Enga anie hisy loza hanjo azy tampoka!
Enga anie ka izy ihany no ho voafandrik’ilay harato nafeniny!
Enga anie izy ho latsaka ao ka ho ringana!+
-
-
Salamo 57:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo,
Nefa izy ireo ihany no latsaka tao.+ (Sela)
-
-
Ohabolana 26:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Izay mihady lavaka ihany no ho latsaka ao,
Ary izay manakodia vato ihany no hiverenany.+
-