-
1 Samoela 2:22-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo. 23 Izao foana no noteneniny tamin’ireo zanany ireo: “Fa maninona ianareo no manao an’izany foana? Ratsy ny zavatra henoko resahin’ny olon-drehetra momba anareo. 24 Tsy tsara mihitsy, anaka, ny zavatra henoko resadresahin’ny vahoakan’i Jehovah momba anareo. 25 Raha misy olona manota amin’ny olona anankiray, dia mbola misy olona afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy.* Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ dia iza no hivavaka ho azy?” Tsy nety nihaino an-drainy anefa izy ireo, satria i Jehovah efa tapa-kevitra ny hamono azy ireo ho faty.+
-