FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 6:9-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory?

      Rahoviana ianao vao hifoha amin’ny torimasonao?

      10 Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,

      Ary mbola haka aina* kely ihany,+

      11 Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,

      Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+

  • Ohabolana 15:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Hoatran’ny hoe misy fefy tsilo ny lalan’ny kamo,+

      Fa toy ny lalambe tsy misy mikitoantoana kosa ny lalan’ny olo-marina.+

  • Ohabolana 24:30, 31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Nandalo teo amin’ny tanimbolin’ny kamo aho,+

      Teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.*

      31 Hitako fa feno ahidratsy ilay izy,

      Sady rakotra tsilo,

      Ary nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+

  • Ohabolana 26:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana,

      Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.+

      15 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,

      Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka be azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara