FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:22-25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo. 23 Izao foana no noteneniny tamin’ireo zanany ireo: “Fa maninona ianareo no manao an’izany foana? Ratsy ny zavatra henoko resahin’ny olon-drehetra momba anareo. 24 Tsy tsara mihitsy, anaka, ny zavatra henoko resadresahin’ny vahoakan’i Jehovah momba anareo. 25 Raha misy olona manota amin’ny olona anankiray, dia mbola misy olona afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy.* Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ dia iza no hivavaka ho azy?” Tsy nety nihaino an-drainy anefa izy ireo, satria i Jehovah efa tapa-kevitra ny hamono azy ireo ho faty.+

  • 2 Tantara 36:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara