-
Deoteronomia 30:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 2 ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an’izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
-
-
Isaia 66:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia halain’izy ireo avy any amin’ny firenena rehetra+ ny rahalahinareo rehetra, ka hataony fanomezana ho an’i Jehovah. Ary hoentiny amin’ny soavaly, kalesy, sarety mitafo, ramole, ary rameva mahery mandeha izy ireny, mba hiakatra ho any Jerosalema tendrombohitro masina”, hoy i Jehovah. “Izany dia hoatran’ny ataon’ny vahoakan’Israely rehefa mitondra fanomezana ao anaty vilia madio mankany an-tranon’i Jehovah.”
-
-
Ezekiela 36:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra, ka hoentiko any amin’ny taninareo.+
-
-
Mika 2:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hovoriko ianareo rehetra, ry taranak’i Jakoba ô!
Ary tsy maintsy hangoniko ny sisa amin’ny Israely.+
-