FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Estera 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nifaly sy niravoravo ny Jiosy, tany amin’ny faritany sy tanàna rehetra nahazo an’ilay didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Nanao fanasambe sy nanao fety be izy ireo. Be dia be koa ny olona tao amin’ilay tany no nilaza ny tenany hoe Jiosy,+ satria tena natahoran’izy ireo ny Jiosy.

  • Isaia 14:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fa hamindra fo amin’i Jakoba i Jehovah,+ ary mbola hifidy ny Israely indray izy.+ Dia hapetrany ao amin’ny taniny izy ireo,*+ ary hiaraka amin’izy ireo ny hafa firenena ka hitambatra amin’ny taranak’i Jakoba.+ 2 Hoentin’ny hafa firenena hiverina hody izy ireo. Ary hataon’ny taranak’Israely ho mpanompolahiny sy mpanompovaviny+ any amin’ny tanin’i Jehovah ireny. Dia hataon’ny taranak’Israely babo ireo nitondra azy ho babo, ary hofeheziny ireo mpanery azy hiasa.

  • Isaia 49:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Mpanjaka no ho lasa mpitaiza anao,+

      Ary ny andriambaviny no ho mpampinono anao.

      Hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo,+

      Sady hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao.+

      Dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah,

      Ary tsy ho afa-baraka mihitsy izay manantena ahy.”+

  • Isaia 60:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ho tonga hiankohoka eo anatrehanao ny zanak’ireo nampijaly anao.

      Hiankohoka eo an-tongotrao daholo koa izay manambanimbany anao.

      Ary hantsoin’izy ireo hoe tanànan’i Jehovah ianao,

      Dia Zionan’Ilay Masin’ny Israely.+

  • Isaia 61:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 “Vahiny no ho avy hiandry ny andian’ondrinareo,

      Ary olona hafa firenena+ no ho mpambolinareo sy mpikarakara ny tanimboalobokareo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara