FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.

  • Isaia 42:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Iza no nanolotra an’i Jakoba tamin’ny mpandroba,

      Sy nanolotra an’i Israely tamin’ny mpangalatra?

      Tsy i Jehovah ve? Nanota taminy mantsy izy ireo,

      Sady tsy nety nanaraka an’izay natorony,

      Ary tsy nankatò ny lalàny.*+

      25 Nanampatra ny hatezerany taminy àry Izy,

      Ary nisafoaka mafy sady namela azy hijalijaly tao anatin’ny ady mangotraka.+

      Nandevona an’izay rehetra nanodidina azy izany ady izany, nefa tsy noraharahiany.+

      Nandoro azy ilay izy, nefa tsy noheveriny ho zava-dehibe.+

  • Zakaria 1:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tezitra be aho, tezitra be amin’ireo firenena mieritreritra hoe milamina ny taniny.+ Tezitra kely ihany aho mantsy taloha,+ nefa izy ireo vao mainka nampitombo ny loza.”’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara