FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+

  • Deoteronomia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • Salamo 30:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Vetivety ihany mantsy izy no tezitra,+

      Fa mandritra ny androm-piainana kosa izy no mankasitraka.+

      Mety ho tonga ny fitomaniana amin’ny hariva, fa misy fihobiana kosa rehefa maraina.+

  • Salamo 106:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô!+

      Angony avy any amin’ireo firenena izahay+

      Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina,

      Sy ho faly hidera anao.+

  • Isaia 27:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Amin’izany andro izany, dia hahintsan’i Jehovah ny voankazo, hatrany amin’ny rano mikoriana avy any amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny Reniranon’i* Ejipta.+ Dia hangonina tsirairay ianareo, ry vahoakan’Israely.+

  • Jeremia 29:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Fa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hokarakaraiko ianareo rehefa tapitra ny 70 taona ijanonanareo any Babylona,+ dia hotanterahiko ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity ianareo.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara