FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 15:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria no nanafika sy naka an’i Iona, Abela-beti-maka,+ Janoha, Kedesy,+ Hazora, Gileada,+ ary Galilia izany hoe ny tanin’i Naftaly+ manontolo. Ary nataony sesitany tany Asyria+ ny mponina tao amin’ireo.

  • 2 Mpanjaka 17:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

  • 2 Mpanjaka 18:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nataon’ny mpanjakan’i Asyria sesitany tany Asyria ny Israely,+ ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana, ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

  • 1 Tantara 5:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely àry i Pola mpanjakan’i Asyria,+—dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria,—mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana+ izy ireo, ka mbola any hatramin’izao.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara