FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 32:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia noraisin’i Arona avy teny amin’izy ireo ny volamena, ary namboariny tamin’ny fandraka ka nanaovany sarivongana* zanak’omby.+ Ary hoy ny vahoaka: “Ry Israely ô! Io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.”+

  • Deoteronomia 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Fa izao kosa no hataonareo amin’ireny: Arodano ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina,+ kapao ny tsato-kazony masina,*+ ary dory ny sary sokitra ivavahany.+

  • Deoteronomia 7:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Tokony hodoranareo ny sary sokitra ataony andriamanitra.+ Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny, na maka an’izany ho anao,+ sao ho voafandrik’izany ianao. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao mantsy izany.+

  • Mpitsara 17:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Naveriny tany amin’ny reniny àry ilay volafotsy 1 100 sekely. Hoy anefa ny reniny: “Tsy maintsy hohamasiniko ho an’i Jehovah ilay volafotsy, anaka, amin’izay ianao afaka manamboatra sary sokitra sy sarivongana metaly*+ amin’ilay izy. Iny fa averiko aminao indray ilay izy izao.”

      4 Rehefa naveriny tany amin’ny reniny ilay volafotsy, dia naka volafotsy 200 sekely ny reniny ary nomeny ny mpanefy volafotsy izany. Nanamboaran’ilay mpanefy sary sokitra sy sarivongana metaly* ilay izy, dia napetraka tao an-tranon’i Mika.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara