FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.

  • Nehemia 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Tsy nankatò anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny Lalànao.* Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!+

  • Nehemia 9:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Nanam-paharetana taminy foana anefa ianao+ nandritra ny taona maro. Nomenao ny fanahinao koa ny mpaminaninao ka nasainao nampitandrina azy ireo foana, saingy tsy nety nihaino izy ireo. Dia nataonao resin’ny mponina manodidina ry zareo, tamin’ny farany.+

  • Jeremia 25:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Nandritra izay 23 taona izay i Jehovah no niteny tamiko, nanomboka tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia+ zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’izao. Ary efa niteny anareo imbetsaka* aho, saingy tsy nihaino ianareo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara