-
Eksodosy 3:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Hoy anefa i Mosesy tamin’ilay tena Andriamanitra: “Fa izaho moa no iza no handeha hankany amin’i Farao, ka hitondra ny Israelita hivoaka avy any Ejipta?” 12 Dia hoy Andriamanitra: “Hanampy anao aho!+ Ary izao no famantarana hahalalanao fa izaho no naniraka anao: Hanompo an’ilay tena Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo,+ rehefa tafavoakanao avy any Ejipta ny vahoaka.”
-
-
Asan’ny Apostoly 18:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Indray alina, dia niteny tamin’i Paoly tao amin’ny fahitana koa ny Tompo hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, 10 fa miaraka aminao aho+ ka tsy hisy hanafika anao mba hanisy ratsy anao. Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity mantsy aho.”
-