-
Deoteronomia 13:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Raha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namana tena akaiky anao,* ka miteny hoe: ‘Andao hanompo andriamani-kafa’,+ izay andriamanitra tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao, 7 ary andriamanitry ny firenena manodidina anao, na akaiky na lavitra, hatrany amin’ny faran’ilay tany, 8 dia aza manaiky azy na mihaino azy.+ Aza miantra azy, na mangoraka azy, na miaroaro azy, 9 fa tsy maintsy hovonoinao ho faty izy.+ Ny tananao mihitsy no tokony hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan’ny olona rehetra.+
-
-
Deoteronomia 32:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nanao sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra, izy ireo,+
Ho an’andriamanitra tsy fantatr’izy ireo,
Andriamanitra vaovao izay niseho vao haingana,
Sady tsy fantatry ny razambenareo.
-
-
Jeremia 19:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Niala tamiko+ mantsy izy ireo, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Eto izy ireo no manao sorona ho an’ny andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo sy ny razambeny sady tsy fantatry ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny+ ity toerana ity.
-