-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-
-
Isaia 65:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Mamelatra ny tanako tontolo andro amin’ny vahoaka mafy loha aho,+
Dia amin’izay mandeha amin’ny lalan-dratsy,+
Sady manao izay saim-pantany fotsiny.+
-
Jeremia 7:24-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nandeha araka izay saim-pantany* sady nikiry nanaraka ny fo ratsiny.+ Nihemotra àry izy ireo fa tsy nandroso, 25 hatramin’ny andro nivoahan’ny razambenareo avy tany Ejipta ka hatramin’izao.+ Koa nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra isan’andro, ary imbetsaka aho no naniraka azy ireny tany aminareo.*+ 26 Tsy nety nihaino ahy anefa ity vahoaka ity na nanongilan-tsofina.+ Mafy loha* izy ireo ka nanao zavatra ratsy kokoa noho ny nataon’ny razambeny!
-
-
Jeremia 35:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Imbetsaka aho no* naniraka azy ireny tany aminareo+ mba hiteny hoe: ‘Samia re miala amin’ny ratsy fanaonareo+ e, ary manaova ny tsara! Aza manaraka andriamani-kafa ary aza manompo an’ireny. Dia hipetraka foana ao amin’ilay tany nomeko anareo sy ny razambenareo ianareo.’+ Tsy nanongilan-tsofina nihaino ahy anefa ianareo.
-
-
-