FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 8:33, 34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 “Raha resin’ny fahavalo ny Israely vahoakanao satria nanota taminao foana,+ nefa miverina aminao izy ka manome voninahitra ny anaranao,+ ary mivavaka sy mitalaho famindram-po aminao ato amin’ity trano ity,+ 34 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan’ny Israely vahoakanao, ary hampody azy any amin’ny tany nomenao ny razambeny!+

  • Salamo 106:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’izy ireo izy,

      Ary niantra azy,* satria tena be fitiavana sy tsy mivadika.+

  • Jeremia 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo, dia havelako hipetraka eto amin’ity toerana ity foana ianareo.+

  • Jeremia 26:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Sao dia mba hihaino ihany izy ireo, ka samy hiala amin’ny ratsy fanaony. Dia hiova hevitra* aho ka tsy hampihariko aminy indray ilay loza nokasaiko hamelezana azy ireo ho valin’ny ratsy nataony.+

  • Ezekiela 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘Fa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony ny ratsy fanahy, ka manaraka ny lalàko sady manao ny rariny sy ny hitsiny, dia azo antoka hoe ho velona izy fa tsy ho faty.+

  • Joela 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ny fonareo rovitina,+ fa tsy ny akanjonareo,+

      Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.

      Fa mangoraka* sy mamindra fo izy, tsy mora tezitra,+ ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+

      Hiova hevitra* izy ka tsy handefa loza indray.

  • Jona 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive,+ ka nanao antso avo hoe tokony hifady hanina daholo. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.

  • Jona 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo, izany hoe ny nialan’izy ireo tamin’ny ratsy fanaony.+ Dia niova hevitra* izy, ka tsy nalefany indray ilay loza nolazainy hoe hamelezana azy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara