FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 15:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,+ nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ izany hoe i Jerosalema,+ ary niakatra nankeo amin’ny tampon-tendrombohitra tandrifin’ny ilany andrefana amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Lohasahan’ny* Refaima io tendrombohitra io.

  • Josoa 15:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary ny sisin-tany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe*+ sy ny morontsirany. Izany no sisin-tanin’ny lova nozaraina tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy.

  • 2 Tantara 28:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Lasa mpanjaka i Ahaza+ tamin’izy 20 taona, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+

  • 2 Tantara 28:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma* koa izy, dia nandoro ny zanany lahy tao anaty afo.+ Nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ny firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita izy.

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara