FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 20:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 ‘Ho avy ny andro hitondrana an’izay rehetra ato an-tranonao* any Babylona.+ Hoentina any koa izay rehetra notehirizin’ny razambenao hatramin’izao. Tsy hisy na inona na inona ho tavela’, hoy i Jehovah.

  • 2 Mpanjaka 24:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tonga teo amin’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony.

  • 2 Mpanjaka 24:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah.+ Izay efa nolazain’i Jehovah mihitsy no nitranga.

  • 2 Mpanjaka 25:13-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry varahina+ teo amin’ny tranon’i Jehovah, sy ireo kalesy,+ ary ilay Ranomasina varahina+ tao an-tranon’i Jehovah. Dia nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina tamin’ireny.+ 14 Nalainy koa ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny famonoan-jiro, ny kaopy, ary ny fitaovana varahina rehetra nampiasaina tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly. 15 Nalain’ilay lehiben’ny mpiambina ny fitondrana afo sy ny vilia baolina, izay tena volamena+ sy tena volafotsy+ daholo.

  • Fitomaniana 1:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nalain’ny fahavalo ny zava-tsarobidiny rehetra.+

      Fa hitany niditra tao amin’ny toerany masina+ ireo firenena,

      Dia ireo noraranao tsy ho anisan’ny fiangonanao.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara