FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 3:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Rehefa hitako izany, dia noroahiko ny Israely mpivadika sady nomeko taratasy fisaraham-panambadiana+ satria nanitsakitsa-bady.+ Mbola tsy natahotra ihany anefa ny Joda, ilay rahavaviny mpivadika, fa lasa nivaro-tena+ koa. 9 Tsy nampaninona azy ny nivaro-tena. Nandoto an’ilay tany izy, ary nanitsakitsa-bady satria nanompo vato aman-kazo.+

  • Jeremia 5:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Koa ahoana moa no hamelako an’izany helokao izany?

      Niala tamiko ireo zanakao,

      Ka mianiana amin’ny anaran’izay tsy Andriamanitra.+

      Nomeko azy daholo izay nilainy,

      Nefa mbola manitsakitsa-bady ihany izy ireo,

      Sady mirohotra mankao an-tranon’ny mpivaro-tena.

  • Jeremia 13:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ny fanitsakitsahanao ny vadinao,+ ny filanao lehilahy,*

      Ary ny zavatra vetaveta* ataonao rehefa mivaro-tena.

      Hitako ny zava-maharikoriko ataonao+

      Eny amin’ny havoana sy eny an-tsaha.

      Hahita loza ianao, ry Jerosalema ô!

      Mandra-pahoviana ianao no tsy hadio?”+

  • Ezekiela 22:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Misy lehilahy manao zavatra maharikoriko amin’ny vadin’ny namany,+ ao aminao. Misy indray mandoto ny vinantovaviny ka manao zavatra mamoafady aminy.+ Misy koa lehilahy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin’ny rainy ihany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara