FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 24:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany+ rehefa mahita ny loza hamelezako azy ireo. Holatsain’ny olona any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy+ izy ireo, ary hataony oha-pitenenana, sy hesoesoiny, ary hozoniny.+

  • Jeremia 42:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Fa hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Toy ny nanamparako ny hatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema,+ no hanamparako ny hatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo. Hanozona anareo ny olona ary hihorohoro mahita an’izay hanjo anareo. Hanala baraka sy handatsa anareo koa izy ireo.+ Ary tsy hahita an’ity toerana ity intsony mihitsy ianareo.’

  • Fitomaniana 5:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay, ka mahafoy anay ela be?+

  • Daniela 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Jehovah ô, nanao ny rariny foana ianao.+ Koa enga anie ianao mba tsy ho tezitra na hisafoaka intsony amin’i Jerosalema tanànanao sy tendrombohitrao masina! Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan’ny razambenay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny vahoakanao holatsain’izay rehetra manodidina anay.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara