FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:38, 39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Dia ho faty any amin’ireo firenena ianareo,+ ary ho ripaka any amin’ny tanin’ny fahavalonareo. 39 Izay sisa aminareo dia ho lo any amin’ny tanin’ny fahavalonareo+ noho ny fahadisoanareo. Ho lo tsikelikely tokoa izy ireo noho ny fahadisoan’ny razambeny.+

  • 1 Mpanjaka 9:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 dia horoahiko tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony,+ ary ny Israely hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+ 8 Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity,+ ka ho gaga izay rehetra mandalo eo. Hisioka izy ireo dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+ 9 Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razambeny nivoaka avy tany Ejipta, ary maimay erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamely azy ireo tamin’izao loza rehetra izao.’”+

  • Salamo 79:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 79 Nidiran’ireo firenena ny lovanao,+ Andriamanitra ô!

      Nolotoiny ny tempolinao masina,+

      Ary nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema.+

  • Salamo 79:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Nataon’ny mpiara-monina aminay afa-baraka izahay;+

      Maneso sy manaraby anay ny manodidina anay.

  • Jeremia 24:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany+ rehefa mahita ny loza hamelezako azy ireo. Holatsain’ny olona any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy+ izy ireo, ary hataony oha-pitenenana, sy hesoesoiny, ary hozoniny.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara