-
2 Mpanjaka 25:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tamin’ny andro fahafiton’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina ny mpanjakan’i Babylona sady mpanompony.+ 9 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka+ ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany koa ny tranon’ny olona ambony rehetra.+ 10 Ary narodan’ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiambina, ny manda manodidina an’i Jerosalema.+
-
-
2 Tantara 34:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho,+ ka ho tanteraka ny ozona rehetra ao amin’ilay boky+ novakiny teo anatrehan’ny mpanjakan’ny Joda. 25 Fa niala tamiko+ izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy+ amin’izay rehetra nataony. Hanampatra ny hatezerako eto amin’ity toerana ity àry aho, ka ho toy ny afo tsy mety vonoina ny hatezerako.’”+
-
-
2 Tantara 36:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+
-