-
Jeremia 35:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Imbetsaka aho no* naniraka azy ireny tany aminareo+ mba hiteny hoe: ‘Samia re miala amin’ny ratsy fanaonareo+ e, ary manaova ny tsara! Aza manaraka andriamani-kafa ary aza manompo an’ireny. Dia hipetraka foana ao amin’ilay tany nomeko anareo sy ny razambenareo ianareo.’+ Tsy nanongilan-tsofina nihaino ahy anefa ianareo.
-
-
Ezekiela 18:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “‘Hotsaraiko arakaraka izay nataonareo àry ianareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Koa aza manao ratsy intsony. Aza atao intsony mihitsy ny fahadisoana rehetra nataonareo, mba tsy ho lasa vato mahatafintohina anareo ireny, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana dia ho voasazy.
-