-
Jeremia 51:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Kaopy volamena teny an-tanan’i Jehovah i Babylona.
Nataon’i Babylona izay hahamamo ny tany rehetra.
-
-
Ezekiela 23:32-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
‘Hisotro amin’ilay kaopin’ny rahavavinao ianao,+ amin’ilay kaopy lalina sy lehibe.
Feno esoeso ilay kaopy, ka lasa hihomehezan’ny olona sy hesoiny ianao.+
33 Hosotroinao daholo ny ao anatin’ny kaopin’i Samaria rahavavinao.
Dia ho mamo be* sy ho vonton’alahelo ianao,
Ka hihorohoro ny olona mahita anao, ary ho lasa aolo ianao.
34 Dia hosotroinao sy hotaperinao izany,+ ary hokepokepohinao ny vakivakin’ilay kaopy tanimanga.
Hosintontsintoninao koa ny nononao.
“Fa izaho no efa niteny”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’
-
-
Nahoma 3:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Handositra anao izay rehetra mahita anao,+ ka hiteny hoe:
‘Noravana i Ninive!
Iza no mba hiantra azy?’
Aiza no hahitako olona hampionona anao?
-
-
Nahoma 3:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ho mamo koa ianao,+
Dia hiafina.
Hitady fialofana ianao mba tsy ho tratran’ny fahavalo.
-