FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 22:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia nomen’ny mpanjaka an’izao baiko izao i Hilkia mpisorona, Ahikama+ zanak’i Safana, Akbora zanak’i Mikaia, Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon’ny mpanjaka: 13 “Mandehana misolo tena ahy sy ny vahoaka ary ny Joda rehetra, ka anontanio i Jehovah momba an’ireo teny ao amin’io boky vao hita io. Fa tezitra be i Jehovah,+ satria tsy nankatò ny teny voalaza ao amin’io boky io ny razambentsika. Tsy narahin’izy ireo izay rehetra voasoratra momba antsika.”

  • Jeremia 39:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa nandefa iraka i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina, sy Nebosazbana Rabsarisa,* sy Nergala-sarezera Rabmagy,* ary ny manamboninahitra rehetran’ny mpanjakan’i Babylona, 14 mba haka an’i Jeremia tany amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ Dia natolony an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana,+ izy mba hoentiny any an-tranony. Koa niara-nonina tamin’ny vahoaka izy.

  • Jeremia 40:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Raha mbola nisalasala teo i Jeremia hoe hiverina sa tsia, dia hoy i Nebozaradana: “Miverena any amin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana.+ Izy no notendren’ny mpanjakan’i Babylona hifehy an’ireo tanànan’i Joda. Ary mijanòna miaraka aminy, miaraka amin’ny vahoaka. Na mandehana any amin’izay tianao haleha.”

      Dia nanome azy anjara sakafo sy fanomezana ilay lehiben’ny mpiambina, ary namela azy handeha.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara