-
Jeremia 23:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa nihazakazaka nanao an’izany izy ireo.
Tsy niteny taminy aho nefa naminany izy ireo.+
-
-
Jeremia 29:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izao mantsy no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo.+ Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo. 9 Fa ‘maminany lainga aminareo amin’ny anarako izy ireny, nefa tsy naniraka azy aho’,+ hoy i Jehovah.”’”
-
-
Ezekiela 13:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Nahita fahitana sandoka izy ireo, ary naminany lainga hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah.’ Tsy naniraka azy akory anefa i Jehovah. Dia nandrasan’izy ireo hoe ho tanteraka ny tenin’izy ireo.+
-