FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: “Maminany lainga amin’ny anarako ireo mpaminany ireo.+ Tsy naniraka azy ireo aho na nanome didy azy na niresaka taminy.+ Tsy marina ny fahitana azony, tsy misy dikany ny sikidy ataony, ary fitaka foromporonin’ny sainy* ny faminaniana resahiny aminareo.+

  • Jeremia 28:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia niteny tamin’i Hanania+ mpaminany i Jeremia mpaminany hoe: “Henoy ny teniko, azafady, ry Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa nampino lainga an’ity vahoaka ity ianao.+ 16 Izao àry no lazain’i Jehovah: ‘Hesoriko tsy ho eny ambonin’ny tany ianao. Amin’ity taona ity ianao dia ho faty, satria mampirisika ny olona hikomy amin’i Jehovah.’”+

  • Ezekiela 13:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘Satria nilaza zavatra diso ianareo sady tsy marina ny fahitana hitanareo, dia hanameloka anareo aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+ 9 Ary ny tanako no hamely an’ireo mpaminany mahita fahitana tsy marina sady maminany lainga.+ Tsy ho anisan’ny olona tena akaiky ahy izy ireo, sady tsy ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny taranak’Israely, ary tsy hiverina any amin’ny tanin’ny Israely. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara