12 “Mbola tsy tara anefa izao fa miverena amiko amin’ny fonareo manontolo”,+ hoy i Jehovah,
“Ka mifadia hanina+ sy mitomania mafy ary miantsoantsoa.
13 Ary ny fonareo rovitina,+ fa tsy ny akanjonareo,+
Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.
Fa mangoraka sy mamindra fo izy, tsy mora tezitra,+ ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
Hiova hevitra izy ka tsy handefa loza indray.
14 Iza moa no mahalala raha mba tsy ho tezitra intsony izy fa hiova hevitra+ tokoa,
Dia hitahy anareo?
Dia amin’izay ianareo ho afaka hanolotra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an’i Jehovah Andriamanitrareo.