-
2 Tantara 30:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia aza mafy loha hoatran’ny razambenareo.+ Ekeo kosa i Jehovah dia mankanesa any amin’ny toerany masina,+ izay efa nohamasininy mba ho masina mandrakizay. Ary manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, mba tsy ho tezitra be aminareo intsony izy.+ 9 Raha miverina amin’i Jehovah mantsy ianareo, dia hamindra fo amin’ny rahalahinareo sy ny zanakareo ny olona naka azy ho babo,+ ka havelany hiverina eto amin’ity tany ity ry zareo.+ Fa mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo,+ ka tsy ho izy indray no handa anareo, raha miverina aminy ianareo.”+
-
-
Zefania 2:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dieny mbola tsy mihatra ny didy,
Dieny mbola tsy mandalo haingana hoatran’ny akofa ny andro,
Dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah,+
Ary dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah,
3 Dia mitadiava an’i Jehovah+ ianareo mpandefitra* rehetra eto an-tany,
Izay mankatò ny didiny ara-drariny.*
Tadiavo ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana.*
Angamba* ho voaro* ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+
-