-
Jeremia 1:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary omeko fahefana amin’ireo firenena sy fanjakana ianao androany, mba hanongotra sy handrodana, handringana sy handrava, ary hanorina sy hamboly.”+
-
-
Jeremia 25:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko izy ireo ka hiady amin’ity tany ity+ sy ny mponina eto, ary amin’ireo firenena rehetra manodidina ireo.+ Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.
-
-
Jeremia 45:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Koa lazao amin’i Baroka hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+
-