-
Deoteronomia 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+
-
-
2 Mpanjaka 25:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny mponina sisa tavela, ka nataony sesitany.+ 12 Navelan’ilay lehiben’ny mpiambina tao amin’ilay tany kosa ny sasany tamin’ireo mahantra faraidiny, mba hikarakara tanimboaloboka sy hanao asa an-terivozona.+
-