-
Jeremia 25:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “‘Rehefa tapitra anefa ny 70 taona,+ dia hataoko ampamoaka* ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany’,+ hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko tsy misy mponina sy ngazana mandrakizay ny tanin’ny Kaldeanina.+ 13 Hotanterahiko amin’izany tany izany ny teny rehetra nanamelohako azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, araka ny faminaniana nambaran’i Jeremia mba hanamelohana ny firenena rehetra. 14 Fa hataon’ny firenena maro sy mpanjaka lehibe+ lasa andevony izy ireo.+ Ary hovaliako araka izay nataony sy araka ny asan’ny tanany izy ireo.’”+
-