-
Ezekiela 29:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Lazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Hanameloka anao aho, ry Farao mpanjakan’i Ejipta,+
Ilay biby ngezabe any an-dranomasina ao amin’ny lakandranon’i Neily.*+
Nilaza ianao hoe: ‘Ahy ny Reniranon’i Neily,*
Dia izaho no nanao azy ho ahy.’+
4 Hasiako faraingo anefa ny valanoranonao, ary hataoko miraikitra amin’ny kiranao ny trondron’ny Reniranon’i Neily.
Dia havoakako avy ao amin’ny Reniranon’i Neily ianao sy ny trondro rehetra miraikitra amin’ny kiranao.
-
-
Ezekiela 39:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hataoko miverin-dalana ianao, dia hotarihiko ka hoentiko miakatra avy any amin’ny farany avaratra,+ ary hoentiko eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.
-