-
Ezekiela 40:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nisy efitra fiambenana telo teo amin’ny andaniny roa tamin’ny vavahady atsinanana. Nitovy habe izy telo, ary nitovy habe koa ireo andry teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.
-
-
Ezekiela 43:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Ary nentin’ilay lehilahy nankany amin’ilay vavahady mitodika miantsinanana aho.+
-
-
Ezekiela 46:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Tokony hihidy foana+ ny vavahadin’ny tokotany anatiny, izany hoe ilay vavahady mitodika miantsinanana,+ mandritra ny enina andro fiasana.+ Tokony hivoha kosa ilay izy amin’ny andro sabata sy rehefa tsinam-bolana. 2 Hiditra avy any ivelany ny mpiadidy, ka handalo eo amin’ny lala-mitafon’ilay vavahady,+ dia hijoro eo akaikin’ny tolàm-bavahady. Dia hanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana nentin’ny mpiadidy ny mpisorona. Hiankohoka eo an-tokonan’ilay vavahady ilay mpiadidy, dia avy eo hivoaka. Tsy hohidiana anefa ilay vavahady raha tsy efa harivariva.
-