-
Ezekiela 10:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa nijery aho, dia hitako fa nanainga ny elany ireo kerobima ka niakatra niala tamin’ny tany. Rehefa nandeha izy ireo, dia teo anilany koa ny kodiarana. Nijanona teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady atsinanana mankao an-tranon’i Jehovah izy ireo, ary teo ambonin’izy ireo ny voninahitr’ilay Andriamanitry ny Israely.+
-
-
Ezekiela 44:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Nentin’ilay lehilahy niverina teo amin’ny vavahadin’ny toerana masina aho, izany hoe ilay vavahady ivelany mitodika miantsinanana,+ kanjo nihidy ilay izy.+ 2 Dia hoy i Jehovah tamiko: “Hihidy foana io vavahady io. Tsy tokony hosokafana izy io, ary tsy hisy olona hiditra eo, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niditra teo,+ ka tsy maintsy hidiana foana io.
-