FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 6:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Ary hoy izy: “Mandehana teneno ity vahoaka ity hoe:

      ‘Haheno foana ianareo,

      Nefa tsy hahazo ny dikan’izay henonareo.

      Ary hijery foana ianareo,

      Saingy tsy hahalala na inona na inona mihitsy.’+

      10 Ataovy donto ny fon’ity vahoaka ity,+

      Ataovy tsy maheno tsara ny sofiny,+

      Dia ataovy miraikitra ny masony,

      Amin’izay ny masony tsy hahita,

      Ary ny sofiny tsy haheno.

      Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony,

      Dia tsy hiverina amiko izy ka tsy ho sitrana.”

  • Jeremia 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Henoy izao, ry vahoaka adala sy tsisy saina:*+

      Mana-maso izy ireo nefa tsy mahita,+

      Ary manan-tsofina nefa tsy maheno.+

  • Romanina 11:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 araka ny voasoratra hoe: “Efa nataon’Andriamanitra renoky ny torimaso lalina+ izy ireo hatramin’izao, ary nomeny maso tsy mahita sy sofina tsy maheno.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara