-
Mpitsara 2:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa maty anefa ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy ireo ary ratsy noho ny nataon’ny razambeny aza no nataony. Nivavaka tamin’ny andriamani-kafa izy ireo ary niankohoka taminy.+ Tsy niala tamin’ny fanaony izy ireo, sady mafy loha.
-
-
Jeremia 13:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Dia hingaiko hatreny amin’ny tarehinao ny morontongotr’akanjonao,
Ka ho hitan’ny olona ny faritra mahamenatra anao,+
27 Ny fanitsakitsahanao ny vadinao,+ ny filanao lehilahy,*
Ary ny zavatra vetaveta* ataonao rehefa mivaro-tena.
Hitako ny zava-maharikoriko ataonao+
Eny amin’ny havoana sy eny an-tsaha.
Hahita loza ianao, ry Jerosalema ô!
Mandra-pahoviana ianao no tsy hadio?”+
-