FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 30:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Mandeha midina any Ejipta+ izy ireo nefa tsy manontany ahy akory.+

      Te hitady fiarovana amin’i Farao,*

      Sy hialokaloka amin’i Ejipta izy ireo.

  • Isaia 36:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia hoy ilay Rabsake tamin’izy ireo: “Mba lazao amin’i Hezekia hoe: ‘Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria: “Fa inona koa izany mba atokisanao izany?+

  • Isaia 36:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 I Ejipta no mba atokisanao hoe hanampy anao. Bararata folaka anefa izy, ka ho voatsindrona ny tanan’izay mitehina aminy dia ho loaka. Hoatr’izany mihitsy i Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy.+

  • Jeremia 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Fa maninona ianao izao no te ho any amin’ny lalana mankany Ejipta+

      Mba hisotro ny ranon’i Sihora?*

      Ary maninona ianao no te ho any amin’ny lalana mankany Asyria+

      Mba hisotro ny ranon’ilay Renirano?*

  • Jeremia 37:5-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nivoaka avy any Ejipta ny tafik’i Farao.+ Dia henon’ireo Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema izany, ka niala tsy nanafika an’i Jerosalema indray izy ireo.+ 6 Dia niteny tamin’i Jeremia mpaminany i Jehovah hoe: 7 “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izao tenenina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany ahy: “Henoy izao! Hiverina any amin’ny taniny, any Ejipta, ny tafik’i Farao izay tonga hanampy anareo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara