FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 43:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hampiantso an’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko+ aho. Hapetrako eo ambonin’ireo vato nafeniko ireo ny seza fiandrianany, ary hovelariny eo ambonin’ireo ny tranolainy.*+ 11 Dia ho avy hamely an’i Ejipta+ izy, ka ho tratran’ny loza mahafaty izay natao ho tratran’ny loza mahafaty. Ho lasa babo izay natao ho lasa babo. Ary ho fatin’ny sabatra izay natao ho fatin’ny sabatra.+

  • Jeremia 46:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hosaziko i Amona+ ao No,*+ sy Farao, sy Ejipta, sy ny andriamaniny,+ ary ny mpanjakany, izany hoe i Farao sy izay rehetra matoky azy.’+

      26 “‘Ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady hamono azy* izy ireo, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona+ sy ny mpanompony. Hisy mponina toy ny taloha anefa i Ejipta aorian’izay’, hoy i Jehovah.+

  • Ezekiela 30:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Hohatanjahiko ny sandrin’ny* mpanjakan’i Babylona,+ dia hataoko eo an-tanany ny sabatro.+ Hotapahiko kosa ny sandrin’i Farao, ka hitrona mafy hoatran’ny olona efa ho faty izy, eo anatrehany.*

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara