FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 19:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lazaiko marina aminareo fa amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana 12 koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko 12 eo amin’ny Israely.+

  • Lioka 22:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa manao fifanekena aminareo aho, hoatran’ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, dia fifanekena momba ny fanjakana,+

  • Apokalypsy 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 ary nanao antsika ho fanjakana+ sy mpisorona+ ho an’ilay Andriamanitra Rainy, eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.

  • Apokalypsy 3:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Izay mandresy+ dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako,+ fa izaho koa efa nandresy ka miara-mipetraka+ amin’ny Raiko eo amin’ny seza fiandrianany.

  • Apokalypsy 5:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nihira hira vaovao+ izy ireo hoe: “Mendrika handray an’ilay horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao. Efa novonoina ho faty mantsy ianao, ary ny ranao no nividiananao olona avy tamin’ny foko sy fiteny* sy vahoaka ary firenena rehetra,+ mba ho an’Andriamanitra.+ 10 Ary nataonao fanjakana+ sy mpisorona ho an’ny Andriamanitsika+ koa ireo, ka ho mpanjaka+ hitondra ny tany.”

  • Apokalypsy 20:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nomena fahefana hitsara ireo nipetraka teo amboniny. Hitako izay novonoina* satria nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na tamin’ny sariny izy ireo, sady tsy nandray an’ilay marika teo amin’ny handriny sy teo amin’ny tanany.+ Ary velona izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy+ 1 000 taona.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara