-
2 Tantara 32:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Aza avela hanambaka na hamitaka anareo hoatr’izao i Hezekia!+ Aza mino azy, fa mbola tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako sy teo am-pelatanan’ny razambeko. Koa ny Andriamanitrareo indray ve no hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?’”+
-
-
Isaia 36:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia hoy ilay Rabsake tamin’izy ireo: “Mba lazao amin’i Hezekia hoe: ‘Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria: “Fa inona koa izany mba atokisanao izany?+
-
-
Isaia 36:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Iza tamin’ny andriamanitra rehetra ivavahan’ireny firenena ireny no nahavonjy ny taniny teo am-pelatanako? Dia i Jehovah ve dia hahavita hamonjy an’i Jerosalema eto am-pelatanako?”’”+
-